Zanak’i Fianarantsoa: “Tokony hahay haka lesona isika”

Nanao tohivakana ny fanambarana. Nampahery ny filohan’ny Antenimi­erampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, araka ny fanambaran’izy ireo, ny herinandro teo.

“Tokony hahay haka lesona isika… Jereo ny tranga niseho tany Senegal… Afa-baraka eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena isika… “, hoy ny mpitondrateny, i Jean Baptiste. No­hitsin’izy ireo fa mikorontana tanteraka ny zotran’ny fiainam-pirenena ary miha ma­hantra ny vahoaka. Manja­vozavo ny hoavin’ny taranaka, araka ny fa­nambarana hatrany. Tampe­nam-bava sy anaovana ramatahora ny milaza ny marina. “Tsy misy intsony ny fahafahana maneho hevitra ary manjaka ny didy jadona sy ny fisamborana”, hoy ihany izy ireo. Noraisi­ny ho ohatra izao mihatra amin-dRazanamaha­soa Christine izao, rehefa notorin’ny IRD teny amin’ny HCC.
Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny fanambaran’ireo olobe sy tangalamena ary fikambanana ao Ambatofinan­dra­hana. Mitsipaka marindrano ny didin’ny HCC izy ireo. “Raisi­nay ho fanaovana tsinontsinona sy fanitsakitsahana ny zo aman-kasin’ny va­hoakan’ Ambatofinandrahana izany. Solombavamba­hoakan’i Mada­ga­sikara izy ary voafidy teto”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa efa nesorana, ny herinandro teo, ireo mpitandro filaminana niambina ity lehibena andrimpanjakana teo aloha ity.

Synèse R.

Partager sur: