Antenimierampirenena : ny zokiolona no tokony hitantana

“Tsy hitako ao amin’ny fitsipika anatiny ny hoe zokiolona amin’ny filoha lefitra no mpisolo toerana vonjimaika ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena fa ny zokiolona amin’ny solombavambahoaka”, hoy ny depiote tsy miankina, i Johasy Eléonore, momba izay hitantana ny Antenimierampirenena amin’ny fahabangan-toeran’ny filoha. Ny And. 9 amin’ny fitsipika anatiny no mamaritra raha misy fahabangan-toeran’ny filoha dia ny fepetra teo aloha nametrahana azy ihany no arahina: fitarihan’ny zokiolona indrindra eo amin’ny Antenimierampirenena.
Tsy araka ny lalàna ny zava-mitranga eny amin’ny Antenimierampirenena. Misy ny fanapahan-kevitry ny HCC manala an-dRazanamahasoa Christine ny maha depiote azy. Efa tsy mpikambana amin’ny IRD na TGV izy, nefa ny fangatahan’ireo no nanapahan-kevitra. Mampametra-pa­nontaniana amin’izao: miainga avy aiza ny fanapahana izay tokony hitantana ny Antenimi­erampirenena?

R. Nd.

Partager sur: