Kandidà voalohany nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana eny anivon’ny Ovec manerana ny Nosy, Rajaonary Sylvestre. Fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe Coco Velogna izy ho any amin’iny atsinanana iny. Nanatitra ny dosie-ny tetsy amin’ny Ovec Toamasina ny tenany ny sabotsy 30 marsa teo, notronin’ireo mpanara-dia azy.
Kandidà tsy miankina, hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ao Toamasina I i Coco Velogna. Teny filamatra entiny handresena lahatra ny vahoaka amin’izany : “Sahy sy vonona ary mahavita”. Nambarany ary ambetin-teniny matetika fa ny olona velogna no tokony hifanohatohana tsy ho lavo. Mpandraharaha tanora ny kandidà ary olom-baovao eo amin’ny sehatry ny fanaovana politika. Na izany aza, efa hita taratra hatramin’ny ela teo amin’ny fanampiana sy asa sosialy eny anivon’ny fiaraha-monina i Coco Velogna.
Eo koa ny maha lehibe azy amin’ny fitarihana ny fikambanana Skoto eo anivon’ny Tilin’ i Madagasikara. Mpanorina ny fikambanana ” Velotegna” koa i Coco ary efa nisahana ny andraikitra teo amin’ny Fikambanan’ny zanak’i Toamasina (Fizato) tao Antananarivo, nisolontenan’ny faritra Analanjirofo.
Andrasana, araka izany, ny mpirotsaka hofidiana hafa ho mpifaninana aminy, indrindra ireo avy amin’ny antoko na vovonana politika ho an’ny ao Toamasina I.
Sajo sy Synèse R.




