Nanomboka nivoaka, omaly, ny ampahany amin’ny lisitr’ireo kandidàn’ny Irmar, miaraka amin’ny fitondrana amin’ny fifidianana depiote. Efa nametraka dosie kosa ireo avy amin’ny fanoherana.
Hitohy anio ny fampahafantarana ireo kandidàn’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), raha efa niseho tsikelikely ny sasany amin’izy ireny, omaly. Anisan’ireo ho mpifaninana ho eny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, ny minisitra teo aloha, Andriamanampisoa Soloniana. Ho kandidà any Fandriana. Ao Ambositra ny minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette raha any Fianarantsoa kosa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Mbola voatazona ho kandidàn’ny Irmar ao Ikalamavony, Raharimampionona ary any Ambalavao, Razafimahatratra Christian. Tahaka izany koa, i Rivotiana Jean Bosco, mbola kandidà ao Lalangina. Nosoloina an-dRazafinjato Aurélie kosa ny kandidàn’ny Irmar ao Vohibato ary any Ambohimahasoa ny kandidàn’ny Irmar, Ratsitohanana Lala.
Kandidàn’ny Firaisankina Razafitsiandraofa Jean Brunelle
Etsy andaniny, efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny kosa ny sasany avy amin’ny fanoherana. Anisan’izany ny depiote am-perinasa sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Razafitsiandraofa Jean Brunelle, avy amin’ny Firaisankina ho kandidà any Ikongo. Tahaka izany koa ny etsy Avaradrano, ahitana an’Andriamosa Avotra, ben’ny Tanànan’i Sabotsy Namehana. Kandidà avy amin’ny Firaisankina ny tenany. Mbola kandidà eto an-dRenivohitra kosa ireo depiote Tim, ankoatra ny boriborintany fahefatra, nanolorana an-dRandriamasinoro Rina.
Araka izany, andrasana ireo mpifaninana hafa avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ary ireo mahaleotena, nisintaka na koa voahilika amin’ireo vovonana.
Synèse R.




