Asan-jiolahy : roa lahy matin’ny fitsaram-bahaoka

Maty niharan’ny hatezeram-bahoaka ireo roa lahy tao Befandriana Avaratra, omaly atoandro. Voarohirohy ho tom­pon’antoka tamin’ny halatra omby miharo vono olona tao amin’ny tanàna tsy lavitra an’Ankobakobaka izy ireo. Notafihin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray ary lasan’ izy ireo ny omby folo, ny herinandro lasa teo. Nofatorana ny olona sasany tamin’ireo voaroba. Nanao ny fikarohana ny mpitandro filaminana ka voasambotra ny efa-dahy ahina ho nandray anjara mi­vantana tamin’io fanafihana io. Nentina niakatra tao Be­fandriana nanaovana famotorana ireo olona tratra ireo. Nanao rodobe nanoloana ny biraon’ny zandarimaria anefa ny fianakavian’ny voatafika. Nanaparitaka tamin’ny alalan’ny tifi-danitra ny mpitandro filaminana saingy vao mainka niakatra ny hatezeran’ireo mpitokona. Votsotra nandritra ny sakoroka, araka izany, ireo olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vono olona. Nifanenjehan’ny fokonolona ireto farany. Noratraratrain’izy ireo tamin’ny antsy sady voatora-bato, namoy ny ainy ny roa lahy. Nifampitadiavana ny roa hafa naman’ireo lavo ireo. Manao ny asany, miezaka mifehy ny fandriampahalemana ao an-toerana ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: