fiarovana ny tontolo iainana : mandray anjara ny SIM

Hiara-hiasa ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD). Nisy ny dinika nifanaovan’ny roa tonta teny Akorondrano, ny alakamisy teo. Voaresaka ny fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasy ilain’ny orinasa eo anivon’ny minisitera. Hojerena manokana ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, hapetraka ny système de traçabilité amin’ireo akora ampiasaina, ny fitantanana ny fako indostrialy sy ny ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra. Nisongadina nandritra ny fifanakalozana ny ady amin’ny doro tanety, ny tsena karbona, ny fomba fitsinjarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary na ny APA ary ny RSE na ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ataon’ny orinasa. Naneho ny fahavononany hifanome tanana amin’ny minisitera ireo orinasa mpikambana eo anivon’ny SIM amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Marihina fa avy amin’ny harena voajanahary avokoa ny ankamaroan’ny akora fototra ampiasain’ireo orinasa amin’ny famokarana ataony.

Henintsoa H.

Partager sur: