Harena an-kibon’ny tany: nikela sy kobalta ny 33 % ny vokatra aondrana

Tsy mitsahatra mitontongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankehitriny, manodidina ny 17 711 dolara ny taonina amin’ny Nikela, araka ny tarehimariky ny tsena iraisam-pirenena, ho an’ny harena an-kibon’ny tany any Londres (LME), omaly, raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 32 000 dolara izany ny volana janoary 2023. Lohalaharana amin’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany eto Mada­gasikara ny orinasa Amba­tovy, raha ny tatitra nataon’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herin­drainy Olivier. Nambarany fa : « Nikela sy kobalta ny 33 % ny vokatra aondran’i Madaga­sikara amin’ny alalan’Amba­tovy ». Mitobaka amin’izao fotoana izao ny fitrandrahana tany ao Indonezia, firenena anisan’ny mpamokatra nikela sady manondrana vokatra any Sina. Ity farany izay anisan’ny mpanafatra ny vokatra voalohany.
Manodidina ny 35 000 t ny vokatra nikela sy kobalta naondran’i Madagasikara nandritra ny enim-bolana voalohany, ny taona 2023. Nilanja 3 900t kosa izany ny volana oktobra teo, araka ny tarehimarika navoakan’ny fadintseranana malagasy. Nampidi-bola betsaka ho an’ny firenena, aorian’ny fanondranana koba, voankazo sy legioma, ny nikela sy kobalta. « Azo adika ho fihatsaran’ny taham-pandrakofan’ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny any ivelany (balance commerciale) ny fizotry ny fivoaran’ny fanondranana sy fanafarana entana », hoy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany. Mamokatra nikela tsara kalitao maneran-tany ny firenena malagasy raha toa mifangaro amina akora hafa ireo vokatra ataon’ireo orinasa hafa any ivelany.

Henintsoa Hani

Partager sur: