VAOVAO TAMBATRA

Midina 2 500Ar ny kilaon’ny vary gasy amin’ izao fotoana, raha 2 400Ar ny semence sy ny varin’Ambatolampy. Anatin’ny fararano isika izao ka miaka-bokatra ny eto an-toerana. Midina ihany koa ny vidin’ny menaka sy ny lafarinina, manaraka ny vanim-potoana toy izao ny vidin’entana isan-taona.
Nanomboka omaly ny asa fanotofana vato (remblayage d’accès par enrochement), hiarovana ny aloha sy ao aorian’ny tetezana Mahavavy, simba vokatry ny rivodoza Gamane, mba hiarovana amin’ny rano mandeha. Hisy ihany koa ny fiarovana amin’ny alalan’ny fambolena bozaka. Atao aorian’izay kosa ny fananganana tetezana vaovao.
Azo tsapain-tanana ny ezaka vitan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola tao anatin’ny 100 andro. Tao anatin’izay ny fampiakarana ny lanjan’ny Ariary, ny fanatsarana ny « cession de devises » ary ny Fampahatsiahivana ny “rapatriement de devises”. Mandrisika ny fanohizana ny ezaka vita ny minisitera.
Miisa efatra ireo distrika hanatanterahana ny ady amin’ny valala: Toliara II, Sakaraha, Morombe ary ny i Manja. Mitotaly 14 250 Ha ny velaran-tany vita famendrahana sy voaaro hatramin’ny fiantombohan’ny ady amin’ny valala, ho an’ny taona 2023-2024.

Partager sur: