fambolena sy fiompiana: vonona hampiasa vola eto Madagasikara i Rwanda

Nifanakalo hevitra ho amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny sekreteram-panjakana rwandais misahana ny Fambolena sy ny fiompiana. Voaresaka manokana ny fanitarana sy ny fampitomboana ny vokatry ry zareo rwandais sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Nifampizara traikefa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rato­hi­arijaona R. Suzelin sy ny sekreteram-panjakana rwandais misahana ny Fambolena sy ny fiompiana, Eric Rwi­gamba, nandritra ny fihaonana nanamarihana ny faha-30 taonan’ny vonomoka (génocide) natao an’ireo foko Tutsi ao Rwanda. Voaresaka manokana ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny firenena roa tonta. Samy mifototra amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana i Madagasikara sy Rwanda. Mivelona amin’ny fambolena ny 80% ny Malagasy raha 69% izany ho an’i Rwanda. Manana paikady manokana ny fanjakana malagasy hampiroboroboana ity sehatra ity. Ankilany, manohana ny tantsaha rwandais amin’ny endriny samihafa kosa ny fitondrana ao an-toerana. Ho jerena manokana, araka izany, ny fampiharana izany eto , hampivoarana ny tontolon’ny famokarana. Azo heverina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampiasa vola rwandais eto Madagasikara hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana velaran-tany maro azo trandrahina.
Vina

Mazava ny rindrandamina apetraky ny fanjakana rwandais hampiroboroboana ny fambolena ao an-toerana. Mitondra 28% ny harinkarena faobe ho an’ny fireneny ny sehatry ny famokarana ka manome asa maro sy miantoka ny fidiram-bola ho an’ny tokantrano maro. Manodidina ny 80% ny fahatraran’i Rwan­da ny fahavitan-tena ara-tsakafo, raha hahatratra ny 100% izany i Madagasikara ao anatin’ny dimy taona. « Lalana ahatongavan’i Rwanda amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fitadiavana sompitra ho an’ny karazana fambolena tsirairay entina mampitombo ny vokatra isaky ny hektara », hoy ny sekreteram-panjakana rwandais misahana ny Fam­bolena sy ny fiompiana. Mila jerena koa, hoy izy, ny hahafahana manitatra ny velaran-tany hamokarana sy ny hanampiana izany. Eo ihany koa ny fanohanana ireo tantsaha ara-pitaovana sy maso­mboly ary ny fanomezana ireo teknikam-pamokarana isan-karazany.

Henintsoa Hani

Partager sur: