MPAMATSY VOLA : handray anjara ny firenena malagasy

Handray anjara amin’ny fihaonamben’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny 15 hatramin’ny 20 avrily, any Washington, ny firenena malagasy. Anisan’ny hanatrika ny fivoriana ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola miaraka amina delegasionina maro samihafa. Laharam-pahamehana mandritra izany ny fivorian’ireo minisitera isaky ny firenena, indrindra ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny governoran’ny Banky foibe eo anivon’ny firenena anatin’ny G20 sy G7. Fotoana ahafahana mihaino ny fomba fijerin’ny mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny fihaonambe. Voatonona manokana ny governoran’ny Banky foibe, ny minisitra, ny lehiben’ny sehatra tsy miankina, ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena, ny tanora mpitarika ary ireo mpikaroka samihafa. Fanamby ny hahitam-bahaolana sy hampiroboroboana ny fitoviana eo amin’ny rehetra. Tsiahivina fa maro ny fanamby napetraka nandritra ny taona 2023, toy ny fijerena ny voka-dratsin’ny valanaretina Covid-19, ny ady any Ukraine izay hatahorana hiantraika amin’ny toekarena, ny tontolon’ny varotra. Ao anatin’izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny famatsiana ho an’ireo firenena marefo sy ambany fidiram-bola.

Henintsoa H.

Partager sur: