Tsena : midina ny vidin’entana ilaina andavanandro

Tafidina hatrany amin’ny 2 500Ar ny kilaon’ny vary gasy amin’izao fotoana izao, raha 2 400Ar kosa ny se­mence sy ny varin’ Am­batolampy. Antony mahatonga izany ny fidirantsika anatin’ny vanim-potoan’ny fararano. Miaka-bokatra ny eto an-toerana ka hiantraika amin’ny vidin’ny vary nafarana ihany koa izany. Mitombo ny tolotra raha oharina amin’ny tinady. Manaraka vanim-potoana ny vidin’entana isan-taona, raha ny fanazavan’ny mpandraharaha ara-barotra iray eny Anosibe. Noho izany, midina ihany koa ny vidin’ny menaka sy ny lafarinina. Paikady apetraky ny fitondram-panjakana ny hialana tsikelikely amin’ny fiankinandoha amin’ny any ivelany, izay mampanano sarotra ny fifehezana ny vidin’entana, ny fampitomboana ny vokatra sy famokarana eto an-toerana. Nihena hatramin’ny antsasany ihany koa ny fanafarantsika vary avy any ivelany ny taona 2022. Manodidina ny 400 000 taonina izany ny taona 2023 raha 700 00 t teo aloha.
Mifampiankina
Naparitaka manerana ny Nosy ny vary mba hisitrahan’ny tokantrano tsirairay ny vokatra eto an-toerana. Noho izany, nidina tany Imerin­tsia­tosika sy tany amin’ny faritra hafa ny orinasa State Pro­cu­rement of Madagascar (SPM) nanangom-bokatra sy nanao izay hahatongavan’izany eny anivon’ny mpanjifa. Ankoatra izay, mandalo vanim-potoana ny maitsoahitra ny fanjifana ny vary isan-taona manomboka ny volana oktobra ka hatramin’ny volana marsa. Voafetra, araka izany, ny voka-bary saingy nahafahan’ny orinasa mamokatra siramamy.

Henintsoa H.

Partager sur: