VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 6 305 miliara Ar ireo kaonty amina banky miisa 521 nogiazan’ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (ARAI), miaraka amina fiara 93, sambo iray, trano sy tany ary fanaka 16, nandritra ny taona 2023. Nisy tamin’ireo fananana no efa natao varotra miaka-bidy ka nahazoana 399 tapitrisa Ar.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina veterinera amin’ny fitiliana ny aretim-biby miantraika amin’ny fahasalaman’olombelona ny fampiofanana natao ny herinandro teo, tao Antsirabe. Misy ny paikady ho fanatsarana ny voka-pitiliana, ho fanamorana ny famehezana sy fanaraha-maso ny aretim-biby.
Hapetraka ny Zone d’émergence piscicole (ZEP) ao Ambolomoty, distrika Marovoay, ho fampiroboroboana ny toekarena manga, amin’ny alalan’ny fampamokarana ny atirano, indrindra ny fiompiana sy ny famokarana trondro ao an-toerana. Hahafahana mamatsy zana-trondro ny fametrahana ny ZEP.
Maniry hiara-hiasa amin’i Afrika momba ny fampivoarana ny fahaizana sy ny teknolojia amin’ny alalan’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) i Sina. Maro ny tanora aty Afrika ka azo araraotina hampivoarana ny toekareny izany. Kendrena ampiasana ny IA ny eny amin’ny anjerimanontolo sy ny ivontoeram-pikarohana samihafa ary ny fampiroboroboana ny teknolojia sy ny fikarohana.

Partager sur: