Nanapa-kevitra ny handeha irery amin’ny lisitra tsy miankina ka nirotsaka hofidina ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany fahatelo ny mpanakanto, Razafindrazaka Bodo. Nampahafantariny, omaly, tetsy Antanimena, anefa fa tsy sanatria nanao ho rano nodikain’ny zinga na nanadino ny niandohana ny tenany fa nahazo tsodrano tamin’ny loharano nipoirana.
Mahatsapa aho ary raisiko am-panetren-tena ny andraikitra ho lohalisitra, tsy miova ny tolona sy ny fotokevitra ijoroako, hoy i Bodo.
Ny ho lany eny amin’ny Antenimierampirenena no tanjony ary mivoy hatrany ny tolona dia ny fahamarinana izy. Mandeha amin’ny herijika sy ny fotokevitra ananany ka handresy lahatra ireo rehetra izay nisalasala mba ho tonga hifidy ary manentana azy ireo mba hamita ny adidiny amin’ny fandehanana mifidy. Fotoana hanokafana ny mason’ny mponin’ny Boriborintany fahatelo ihany koa izao. Hitondra ny hetahetan’ny vahoaka fa tsy sarintsariny no laharam-pahamehana aminy.
Ny tokotanim-pifidianana tsy miova dia ny fanamboarana ny lisi-pifidianana ary ny tsy fitongilanana eo amin’ny fanatanterahana ny latsabato. Fifidianana akaiky vahoaka ka hanao andrimaso ny fizotran’izany mba hampanjaka ny mangarahara izy ireo.
Tatiana A




