Ivontoerana CFRH: fitantanana ny mpiasan’ny orinasa

20 taona nanofanana momba ny fitantanana ny mpiasa eny amin’ny orinasa ny Ivontoeram-panofanana momba ny fitantanana ny mpiasa (CFRH Institute) Ambaranjana. Hifantohana ny fifehezana ny maha olona, ny fampiharana ny fitsipika sy ny didy aman-dalàna. Nilaza ny tale jeneraly (DG), Rakotonarivo Olivia, fa « 4 monja ny mpianatra tany am-boalohany, ary efa maherin’ny 2 000, ankehitriny. Mpitantana orinasa izy ireo, maka ny mari-pahaizana LMD. Aminy, raha tsy misy ny mpiasa, tsy mandroso ny orinasa ».
Anisan’ireo mpianatra ao Rakotonirainy Malala, mpitantana orinasa lehibe iray eto an-dRenivohitra. Nambarany fa « mety tsara amiko ilay fiofanana ampitain-davitra, satria tonga dia sady mandeha ny fampiharana amin’ny fitantanana ny mpiasa ato amin’ny orinasa ».
Vinan’ny CFRH Institute amin’ny ho avy ny hanitarana ny ivontoeram-panofanana any amin’ny faritany. Eo koa ny fikarohana mpiara-miombon’antoka vahiny, ahafahan’ny mpianatra manohy ny fianarany any ivelany.

Njaka A.

Partager sur: