SITLM andiany fahatelo: mitana anjara toerana momba ny fitaterana

Tontosa omaly, teny amin’ny Zone Expo Forello Tanjombato, ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Salon International des Transports, de la Lo­gistique et de la Manu­tention» (SITLM), andiany fahatelo. Olo-manankaja sy tomponandraiki-panjakana maro no niatrika izany, anisany ny minisitry ny Asa vaventy, Kly Ndriamihaja Livah Andriana­trehina, izay sady ray mpiahy ity andiany ity. Mandritra ny efatr’andro, nanomboka oma­ly, ary tsy hifarana raha tsy ny 14 avrily 2024 ny hetsika. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny ankehitriny sy ny hoavin’ny fitaterana sy ny manodidina ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Dr Ma­nambahoaka Valéry Fitzge­rald Monjavelo.
Ambohipihaonan’ny fiana­kavia­mben’ny fitaterana, ny eny amin’ny Zone Forello Tanjombato, mandritra ny SITLM. Miisa 108 ireo mpampiranty mandritra izany. Amin’ny maha hetsika iraisam-pirenena azy, tazana eny avokoa ireo fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fitaterana manerana ny Nosy ka hatrany ampitan-dranomasina. Mana­mpy be ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana izao hetsika izao. Eo ihany koa ny an’ny minisiteran’ny Fitate­rana, ny amin’ny fanatsarana ny fomba fitaterana amin’ny fomba rehetra, ny fahafahana mandeha amin’ny toerana rehetra ary ny fifandraisana eo amin’ny toerana rehetra.

Lin

Partager sur: