Tetikasa Taratra Toliara: fitantanana mahomby ny harena ambanin’ny tany

Nikarakara loabary an-dasy indray ny Tetikasa Taratra, volavolain’ny Kaonferansin’ny eveka ao amin’ny Eglizy Katolika, ny 3 avrily 2024 teo. Noresahana ny fitantanana mahomby ny harena ambanin’ny tany mba hitondra tombontsoa ho an’ny rehetra.

Tany Benetsy, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II, no nanaovana ny fivoriana, mahakasika ny lafiny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny zo sy ny fepetra tsy maintsy arahin’ny mpitrandraka sy ny mpandraharaha, ny fanjakana. Eo koa ny andraikitry ny mponina eny ifotony voakasiky ny asa fitrandrahana. Manampy ireo ny anjara biriky entin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany amin’ny fampandrosoana sy ny ady amin’ny fahantrana. Hita tao amin’ity fihaonana ity avokoa ireo voatanisa ireo, nijerena ny zava-dehibe ma­nan-danja, indrindra ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Vovonana iray ahafahan’ny mpisehatra rehetra voakasika hifanakalozan-kevitra, hakam-baovao, hisian’ny fitantanana mahomby ny tetikasa Taratra. Nizara ny heviny ireo mpandray anjara. Nilaza Ralahy Emmanuel, mpandrindra ny tetikasa Taratra, fa tombontsoa tamin’ny fivoriana ny nahafahana namondrona ny hevitra samihafa avy amin’ireo mpisehatra. Hisitraka ny tombontsoa ateraky ny fitrandrahana ambanin’ny tany daholo ny mponina rehetra.
Nahalalana ny tsy fantatra
Mitsinjo ny hialan’ny Ma­lagasy rehetra amin’ny fahantrana ny Eglisy Katolika. Ma­nana ny harena azo trandrahina ny firenena, ka mampahalala ny tombontsoa sy ny fiantraikany tsara tokony hisitrahan’ny mponina izany izy.
Nilaza i Tsivesy Ernest, anisan’ny mpandray anjara, fa « nahalalana izay zavatra tokony ho fantatray ity loabary an- dasy ity, ka ahafahana mandroso. Ohatra, hay mila manatona ahy, raha tompon’ny tany aho, raha misy mitrandraka ny ao ambanin’ny taniko. Ary tsy maintsy manao fifanarahana amiko ny mpitrandraka ».
Hitohy any amin’ny kaominina hafa ny hetsiky ny tetikasa Taratra. Toy ny any Bela­landa, Maromiandra, Soalara, St-Augustin ary Toliara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: