VAOVAO TAMBATRA

Hatsangana ao Ranomafana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano. Miaraka amin’ny « Sinohydro » ny tetikasa sady hanana tanjaka 64MW. Hisitraka ny tetikasa ny faritra Analamanga sy Itasy ary ny distrika telo, toa an’i Fenoarivobe, Ankazobe sy Ambohidratrimo miaraka amina kaominina efatra hafa.

Vita ny 85% an’ilay Zone d’emergence piscicole (ZEP) eny amin’ny kaominina Tsiafahy. Ankehitriny, mamarana ireo pitsompitsony isan-karazany ny tomponandraikitra eny an-toerana. Hamokatra zana-trondro ny fotodrafitrasa ka hampiroborobo ny fiharian’ireo mpiompy sy hampitombo ny vokatra ataony.

Miahy sy manohana ireo mpandraharaha ho fampiroboroboana ny fandraharahana ny Madagascar entreprise developpement (MED). Tao anatin’ny 10 taona, nisy ny tolotra isan-karazany sy fanofanana manokana nomeny ny mpandraharaha ao anatin’ny Club des entrepreneurs Aina Vao-MED.

Maro ny lohahevitra ho voaboasana momba ny sehatry ny fitaterana. Mandritra ny efatr’andro ny hetsika Salon international des transports, de la logistique et de la manutention eny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato. Hita eny an-toerana avokoa ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny tontolon’ny fitaterana.

Partager sur: