Lalana RN6: mila fanamboarana koa ny tetezana madinika

Misy fahasimbana ihany koa ny tetezana madinika any amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6), vokatry ny rivodoza Gamane farany teo. Nijery ny fahavoazana amin’ny tetezana Manambery, ny sabotsy 13 avrily teo, ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja. Hita fa nahetsiky ny ranobe nentin’ny rivodoza Gamane ny rafitra ambony amin’ity tetezana ity. Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hisy ny fitaovana fibatana ny ampahany ambony amin’io tetezana io, hamerenana azy amin’ny toerany. Eo am-panamboarana ny fivilian-dalana eo Manambery. Anisan’ny mampitaraina ireo mpampiasa lalana ny fanararaotan’ny olona sasany any an-toerana, mitaky vola amin’ireo fiara mivezivezy.
Nisy ny fivoriana natao tany Sambava. Fantatra fa tsy maintsy vitaina amin’ity herinandro ity ny fanamafisana ireo tetezana madinika, toy ny any Ampasimbelo, andalovana amin’iny RN 6 iny. Tsy maintsy averina ato anatin’ny fotoana fohy ny fifamoivoizana, mba hanamorana ny fa­matsiana solika any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny.
Etsy ankilany, mitohy ny asa fametrahana ny fivilian-dalana any amin’ny tetezana Ifasy (PK537). Eo koa ny tetezan’i Mahavavy (PK 567+933). Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny asa vonjitaitra ao amin’ny Banky Eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) ny hanatanterahana ny asa.

Njaka A.

Partager sur: