Mbola mitana ny laharana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, ny ekipan’ny zandarimaria nasionaly, GNFC. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Disciples FC Espoir Analamanga. Raha mbola mahazo fandresena iray ny zandary amin’io fihaonana farany io, azo lazaina fa efa miakatra any amin’ny diviziona voalohany.
Hotontosaina any Moramanga, amin’ny tapaky ny volana novambra ity, ny dingana farany amin’ny fifaninanana nasionaly, taranja fiarakodia, “Grand Rallye de Madagascar”. Marihina fa ity fifanintsanana ity dia karakarain’ny Federasiona. Raha ny fantatra amin’io dingana farany io, hivoaka ny anaran’ireo izay hahazo ny amboara amin’ity taom-pilalaovana ity.
Mipetraka eo amin’ny laharana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des Champions 2026» ny Paris Saint Germain, klioba frantsay, nahazo ny amboara farany teo. Tsiahivina fa lavon’izy ireo, tamin’ny isa 6 no ho 0, ny Villareal, espaniola, afakomaly, tany Espagne.





