Rugby à 7 – Sénior, vehivavy: Hanafika atsy Kenya ny Makis Ladies

Nanainga io maraina io ny Makis Ladies, sokajy “senior” ary hihazo an’i Kenya. Hiatrika ny “Africa Women’s Sevens Series 2026”. Fifaninanana rugby lalaovin’olona 7. Fihao­nana hatao ny 7 sy ny 8 no­vambra ho avy izao. Firenena 12 no hiady ho lohany amin’ity. Ao amin’ny sokajy “C” ny Makis Ladies, miaraka amin’i Ouganda sy Maurice ary i Burkina Faso. 12 mirahavavy ireo mandrafitra ny Makis Ladies ka 4 ihany sisa ny mpilalao teo aloha fa vaovao avokoa ny 8. Mpanazatra azy ireo i Eric Sefo, izay efa havanana amin’ny fitondrana ny ekipa zazavavy. Tsiahivina fa laharana fahefatra ny Makis La­dies tamin’ny taona 2025. Hanala vela amin’i Kenya sy i Ouganda indray izany amin’ity ny tovovavy malagasy. Ao amin’ny sokajy “A” no iarahan’ i Afrika Atsimo sy i Zambia, i Zimbabwe ary i Rwanda. Ny “B” indray ahitana an’i Kenya, Tunisie, Ghana, Egypte. Mbola hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany indray izany amin’ity, ry zareo Springboks Afrika Atsimo.

Tompondaka

Partager sur: