Taom-pamokarana 2024-2025 : Ilaina ny fikojakojana ny lakandrano

Natomboka ny 11 avrily 2024 teo, tany Marovoay, faritra Boeny, ny fikojakojana ny lakandrano sy ny fambolem-bary voly avotra. Hitarina any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy izany.

Singa fototra amin’ny fa­mokaram-bary ny fikojakojana ny lakandrano, satria ilaina ny fifehezana ny rano. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ratoharijaona R. Su­zelin, nandritra ny fanombohana ny hetsika tany amin’ny kaominina Tsararano, distrika Ma­rovoay, fa asa fanaon’ ny tan­tsaha sy ny fikambanan’ ny mpampiasa rano (AUE) ny fikojakojana ny fitarihan-dra­no. Adidin’ny fanjakana kosa ny manentana sy mandrisika ny mpisehatra rehetra hiara-miasa sy hiantoka ny hahalavorary ny taom-pamokarana.
Nisy ny fizarana kojakojam-pamokarana tany Tsa­ra­rano, tafiditra ao anatin’ny fa­nohizana ny asa 100 andro. Toy ny zezika simika 10 taonina, masomboly vary an-drano 66 taonina, vary an-tanety 7 taonina, katsaka 6 taonina, tsaramaso 2 taonina. Teo koa ny fitaovam- pamokarana avy amin’ny Foibe fitantanana ny fitaovam-pambolena (CGMA), motoculteurs 22, sarcleuses 90, motopompes 18. Noza­raina koa ny karatra maha tantsaha miisa 228.
Hanohana mahakasika ny teknikam-pambolena vary ma­homby sy ny fampiasana ireo fitaovam-pamokarana maoderina, ny fitantanam-paritra Drae Boeny.

Lemaka 7 000 ha voajary
Tafiditra ao anatin’ny fiatrehana ny taom-pambolena 2024-2025 izao hetsika nosantarina tany Marovoay, faritra Boeny izao. Mirefy 261 016 ha ny velaran-tany voajary sy nohavaozina, ka mila fikojakojana ny lakandrano. Ho an’i Marovoay manokana, mirefy 7 235 ha ny lemaka na­siam-panavaozana tao amin’
ny secteur 4, 5 ary 6, vokatry ny tetikasa Padap, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ara-bola. Tanjona ny hisitrahan’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny tetikasa, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo maharitra voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: