Tetikasa Tefiala : fifanakalozana traikefa

Natao tany Fianarantsoa, ny 8-12 avrily teo, ny atrikasa mahakasika ny tetikasa Tefiala (Tetikasa fanatsarana mirindra ny endri-tany sy fanarenana ifotony ny atiala). Nifampizarana traikefa sy nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ao anatin’ny vondronasa fahefatra ao amin’ny tetikasa. Voa­kasik’izany ny rojom-pihariana sy ny serasera, izay manana anjara lehibe.
Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny tetikasa Tefiala, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Mama­tsy vola azy ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF). Maharitra 5 taona ny “Tefiala”, mahasahana sahandriaka miisa 3, anatina velaran-tany 111 243 ha. Ao anatin’izany ny hanatsarana ny endri-tanin’i Volanony-Matsiatra sy Ranomainty, any amin’ny distrikan’i Voahibato sy Lalangina, faritra Matsiatra Ambony. Eo koa ny endri-tanin’i Bas Mangoky, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fitsinjovana ny velontena, ny famokaran’ny tantsaha.

Njaka A.

Partager sur: