VAOVAO TAMBATRA

Hoferana 5 andro ny fe-potoana hanaovan’ny Fitantanana ny trosam-panjakana, fangatahana famoaham-bola, mba hisian’ny mangaraharaha, mahakasika ny tetikasa vatsian’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Voarakitra ao anatin’ny fenitra voalohany amin’ny fifanarahana ara-pamatsiam-bola izany, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.
Tsy azo atao intsony ny mamoaka vola mi­vantana ao amin’ny Jirama, tsy manaraka ny fepetra mahakasika ny sehatry ny rano. Hametraka fitaovana fikojakojana mialoha ny minisiteran’ny Rano, hitsinjovana ny olana mitranga matetika, ka hanaovana ny asa vonjy taitra. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly samihafa.
Hototofana ny tany amin’ny sakany mirefy 5 m, halavany 180 m, ao amin’ny tany mitondra ny anarana hoe « Casa avenir II » sy ny « Malaga avenir » an’ny orinasa TCM eny Ivandry. Anton’ny asa ho tombontsoan’ny daholobe, hananganana andrimby (pylone 35). Hisy ny fametrahana fantsombe 1 000 mm mialoha, hisorohana ny fiakaran’ny rano.
Horaisin’ny fanjakana ny saran’ny fitahirizana ireo sambo haingam-pandeha ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, iandraiketan’ny orinasa SMMC. Avy amin’ny fanjakana japoney ireo sambokely ireo, entina hanamafisana ny fanaraha-maso ny jono sady hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna eto amintsika.

Partager sur: