Ady amin’ny INN : miisa 23 ireo sambo manao fitsirihana

Mandray anjara amin’ny hetsika « Our ocean » atao any Athènes-Grèce i Madagasikara, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Anisan’ny lohahevitra voaresaka ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN) sy fametrahana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Nilaza ny minisitra Mahatante Paubert fa miisa 23 ireo sambo manao fitsirihana an-dranomasina eto amintsika raha roa monja izany teo aloha. Ankehitriny, mipetraka ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny « Frishery Transparency Initiative » (FiTi). Midera ny ezaka vitan’ny firenena malgasy ireo nandray anjara. Marihina fa mahatratra hatrany amin’ny 14 ka hatramin’ny 16 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ ny fanaovana ny jono INN. Noho izany, nametraka paikady ny minisitera hiadina amin’ny tranga toy izao. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta japonais sy ny Banky iraisam-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa nanatanterahana ny tetikasa.

Henintsoa H.

Partager sur: