Sakafo manara-penitra: hamoaka Drafitrasa iombonana ny tetikasa SANOI

Ampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny kalitaon’ny sakafo eto amintsika. Hanombohana azy ny katsaka sy ny akoho amam-borona, mba ho tsara kalitao eo amin’ny lafiny varotra iraisam-pirenena.

Atao eto Antananarivo, mandritra ny telo andro ( ny 16-18 avrily) ny atrikasam-paritra momba ny fe­petra mifehy ny Fiarovana ara-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (SANOI). Firenena efatra no voakasik’izany (Madagasikara, Seychel­les, Maorisy, Kaomoro). Ni­laza ny mpandrindra ankapobeny ny tetikasa sy ny fiaraha-miombon’antoka ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Randria­naivomanana Andritiana Luc, fa hampitoviana ny fenitra mahakasika ny sakafo ho an’ireo firenena ireo. Singanina manokana ny lalam-pihariana katsaka sy ny akoho amam-borona. Satria samy manana ny lalànany sy ny fitsipiny ny tsirairay, saingy ho ezahina ny handrindrana azy. Tanjona ny hampitoviana ny fitsipika sy ny fenitra tokony harahina, eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra. Voakasik’ izany ny lafiny fomba fampiasana ny zezika, ny sakafo ho an’ny biby. Eo koa, ny lafiny fahasalamana ara-tsakafo, mba hahatsara ny kalitao ho an’ny mpanjifa, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Hisy ny drafitrasa ho volavolaina iraisan’ny rehetra ho tanterahina ho an’ny taona 2024-2025.

Fampifandraisana ny tetikasa amin’ny any ivelany

Anisan’ny vokatra andrasana amin’ity atrikasa ity koa ny famantarana ireo asa hatao. Toy ny lafiny tantsoroka hotanterahin’ny SANOI. Eo koa ny fampifandraisana ny tetikasa eto Madagasikara amin’ny any Frantsa sy Italia.
Mitentina 16 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina, hanatanterahana ny SANOI. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny Vaomieran’ny ra­no­masombe Indiana (COI). Maha­ritra dimy taona ny tetikasa (2020-2025).

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: