Ady amin’ny jiolahin-tsambo : miara-miasa ny tafika sinoa sy ny Malagasy

Tonga nivahiny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo andian-tsambo sinoa mpiady mpiaro faha-45 miisa telo, ny alarobia lasa teo. Anton’izany ny fijerena manokana ny lafiny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny jiolahin-tsambo…

Nandray ireto tomponandraikitra nitarika ireto andian-tsambo sinoa ireto ny solontenam-panjakana niaraka tamin’ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny iraka tanterahin’ireto andian-tsambo mpiady faha-45 ireto, ny fanaraha-maso ireo sambo ara-barotra sinoa mandalo ao amin’ny ranomasina mena sy ny eladranon’i Persika sy Adena. Ao anatin’ny fiaraha-miasa rahateo, vaindohan-draharaha ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina mba hiarovana ireo harena an-dranomasina sy hiadiana amin’ireo jiolahin-tsambo. Nitarika ny delegasiona nisolo tena ny minisitry ny Fiarovam-pirenana (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny tale jeneralin’ny rantsamangaikan’ny fiarovana eo anivon’ny MFA, ny Jly Andriamasimanana Wil­liam Michel. Teo ihany koa ireo tomponandraiki-panjakana niaraka tamin’ny Tafika an-dranomasina ary ireo zanaka am-pielezana teratany sinoa miasa sy monina eto Mada­gasikara. Nandao an’i Mada­gasikara ny alahady teo ka hanohy ny diany any an-toeran-kafa indray ireto andian-tsambo mpiady ireto. Nana­mafy ny Jly Andriamasima­na­na Willliam fa matotra hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika amin’ny firenena Sinoa sy Madagasikara. Marobe ireo sehatra ahitana ny fifandraisana eo amin’ny tanin’ny roa tonta izay raha tsy hilaza ny fampitaovana sy ny fampiofanana ny Tafika Malagasy.

J.C

Partager sur: