Fifanakalozam-bola : azo sokafana amin’ny laharana rehetra ny MVola

Niorina ny taona 2010 ny orinasa MVola. Nampaha­fantarina omaly ny tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa, ny «MVola Fô», mifanandrify amin’ny faha-14 taona niorenany.
Tolotra sambany misy eo amin’ny lafiny fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday. Mampiavaka azy, azon’ny laharana rehetra (032, 033, 034, 037, 038) atao ny manokatra kaonty MVola. Tsotra ny fampiasana azy, sady haingana, satria vita ao anatin’ny 5 minitra ny fanokafana ny kaonty. Arahina fotsiny ny dingana omen’ny toromarika ao anaty finday. Ao anatin’izany ny fandraisana ny antontam-baovao mahakasika ny mpanjifa. Amin’izao fiandohana izao, amin’ny alalan’ny finday «smartphone Android» na «OS» no mety hampiasana azy.
Azo atao ny misintona na mandefa vola amin’ny laharana rehetra tsy ankanavaka. Tombony azon’ny mpanjifa, mihena 50% ny saran’ny MVola Fô, mihoatra amin’ny nisy hatramin’izay. Azo atao koa ny mampiditra vola MVola amin’ny alalan’ny karatra banky Visa, MasterCard na Maestro. Na koa mandray vola avy any ivelany.
Hahazo vola 2 000 Ar avy hatrany ao anatin’ny tahirimbolany ny mpanjifa manokatra kaonty Mvola vaovao.

Njaka A.

Partager sur: