« Tsy ho Ntaolo na oviana na oviana isika… », hoy ny mpahay zavapanahy. Tsy ilay vanim-potoana any aoriana ka ahafahan’ny taranaka mitsara na mandrefy ny vitan’ny ankehitriny, akory, no tiana hambara eto fa ilay : « ny razantsika hendry sy lalim-pandinihina ». Toa tsy manana saina hoenti-mandinika intsony ny Malagasy. Tsy manana olona atao fitaratra… Mpihinana amam-bolony. Sahirana amin’ny fampiasana saina ka mirona sy mampanjaka any amin’ny fampiasana hery…
Amin’ny ankapobeny, ny fanabeazana no tsy feno. Tsy mitsaha-midina ny kalitaony, vokatry ny fanaovana tsinontsinona ny an’ny tena sy fanindraindrana ny an’ny hafa. Miaina sy beazina amin’ny tsy sahaza azy ny taranaka Malagasy. Tahaka izany ihany koa ny fampianarana rantovina any an-tsekoly. Taranja tsy mifototra amin’ny filan’ny Malagasy sy Madagasikara no omena laka, sns.
Vokatr’ireo rehetra ireo, tsy mahafantatra izay momba azy intsony ny taranaka ankehitriny. Midedaka amin’ny an’ ny hafa. Sahy manaratsy ny an’ ny tena. Milofo fatratra hitovy endrika ivelany amin’ny vahiny, sns. Tsy menatra ny mangalatra sy mitambezo amin’ny soatoavina sy kolontsain’ny hafa… Na ny mifanaja amina lafin-javatra faran’izay tsotra aza tsy hain’ny Malagasy sasany. Vokatry ny tsy fitohizan’ny fanabeazana nomen’ny razana, nanjary tsy hain’ny Malagasy sasany ny hoe: « kabarin-Janahary », hany ka maro ny zavatra tsy eken’ny eritreriny…
HaRy Razafindrakoto





