Filoha Rajoelina Andry: « Teratany rwandais no hanarina ny Jirama »

Hanomboka amin’ny volana mey ho avy izao ny fananganana ireo foibem-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manerana ny distrika 47. Hitondra ny traikefany hanarina ny Jirama koa ny mpitantana avy any Rwanda.

Tontosa, omaly, tao amin’ ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana hananganana ny foibem-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Nandray izany ny filoha Rajoelina Andry, ny praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo Jean-Baptiste Olivier ary minisitra maromaro.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa 50 MW ireo fitaovana ireo, hananganana foibem-pamokarana herinaratra any amin’ny distrika miisa 47 ao anatin’ny faritra 18. Tanjona ny hampihenana ny fampiasana solika, 19 000 hatramin’ny 20 000 m3 isan-taona, tombanana ho 85 miliara Ar. Amin’ ny maha angovo madio sy azo havaozina azy, mahatratra 52 000 t isan-taona ny entona karbona (CO2) ho voatsitsy tsy ho ao anaty tontolo iainana.
Nilaza ny filoha Rajoelina fa «famatsiam-bola madiodio avy amin’ny fanjakana sy ny Jirama ny tetikasa 50 MW, mitentina 286 miliara Ar». Miisa 75 690 ny fitambaran’ny takela-masoandro hapetraka. Kaontenera 300 no hitondra ny fitaovana rehetra ka efa tonga ao Toamasina ny 163, raha 56 ny efa anaty sambo hihazo an’i Madagasikara, ary efa hiala any amin’ny toerana nanafarana azy ny ambiny.

Mpitantana avy any Rwanda
Nomarihin’ny filoha Rajoelina fa tsy mifandanja ny vola miditra amin’ny Jirama sy ny mivoaka, satria tsy voaloa ny volan’ireo mpamatsy herinaratra sy solika azy. Hita ny vahaolana, ka anisan’ny nametrahana ity tetikasa 50 MW ity. «Rehefa nifandinika tamin’ny Banky iraisam-pirenena, ka mpitantana avy any Rwanda, nahavita nanarina ny orinasam-panjakana any aminy, no hitantana ny Ji­rama. Hanomboka hiasa amin’ny volana mey ho avy izao ity olona ity, hametraka ny drafitrasa sy ny paikady rehetra», hoy ihany ny filoham-pirenena.

Lin sy Njaka A.

Partager sur: