Manakaiky ny mpanjifa : hitety tanàna 5 ny « Camion Tour »

Mitohy ny fitetezam-paritra hataon’ny orinasa Star, amin’ny alalan’ny hetsika «Camion tour». Taorian’ny tany Antsirabe, tanàna dimy any amin’ny tapany atsimo indray no handalovana manomboka ny 20 avrily izao. Any Ambositra ny fijanonana voalohany, eo Antampon’ny Vinany. Mitohy any amin’ny Lapan’ny Vahoaka any Ifanadiana, ny 25 avrily. Any amin’ny toera-malalaka Verdure Manakara Be indray ny 27 avrily. Hitohy any Miandrivazo avy eo, ny 2 mey, any amin’ny kianjan’i Betsiriry. Higadona eo amin’ny kianja Beach soccer Sans fil any Morondava, ny 4 mey. Misy hatrany ny fanentanana sy ny fizarana loka, araka ny tolotra ara-barotra eny amin’ny toerana fanjifana ny vokatra Star samihafa. Eo koa ny fanafanana ny fety hataon’ny DJ. Hitohy any amin’ny toeran-kafa indray ny “Camion Tour” aorian’ity fitetezam-paritra ity.
Nilaza ny tomponandraikitry ny hetsika sy ny fanohanana ao amin’ny Star, Andriamora Miasy, fa «tanjona ny hifampizara ny ambiansy Soa ny fiarahantsika manerana an’i Madagasikara».

Njaka A.

Partager sur: