VAOVAO TAMBATRA

Simba ka miato ny milina G7 ao amin’ny tobin-drano eny Mandroseza I. Misy ny olana ara-teknika ao amin’ny paompy, mitarika fampijanonana ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto an-dRenivohitra izany. Anisany ny eny Faravohitra, Antaninarenina, Behoririka, Ankatso, Anjanahary, Manjakaray, Mahamasina, Ambohimitsimbina, Tanjombato, sns.

Nitsidika ny fizotry ny asa fanadiovana ny Lakandranon’i Pangalana, ny filoha Rajoelina, mandritra ny diany any Toamasina. Nojereny koa ny asa fanamboarana ny arabe migodana miainga ao amin’ny seranan-tsambo mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), iarahana amin’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica), mirefy 10 km.

Tsy mahazaka lanja mihoatra ny 30 taonina ny lalam-pirenena RN2. Misy mahatratra 70 taonina anefa ny iray amin’ireo fitaovana, ilaina amin’ny fametrahana ny foibe herinaratra eny Ambohimanambola, hamokatra 105 MW. Ho karohina ny vahaolana hitaterana ireo aty Antananarivo, izay efa nigadona ao Toamasina, hatramin’ny volana janoary teo.

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny tetikasa Afafi-Centre. Miompana amin’ny famatsiam-bola ny sehatry ny fambolena eto afovoantany, tohanan’ny Vondrona eoropeanina ara-bola, ao anatin’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana, Fed faha-11. Nisitraka ny andiany voalohany ny faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro (2020-2025).

Partager sur: