FANTINA sy FINTINA

Vonona ny minisitra mpisolo toerana hisahana ny Atitany, Andriantsitohaina Naina, ho amin’ny fiaraha-miasa hampandehanana ny raharaham-panjakana, indrindra amin’izao fotoam-pifidianana izao. Tontosa omaly, tetsy Anosy, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Tokely Justin, kandidà depiote any Sambava.

Nandray anjara tamin’ny fivorian’ny APF
i Madagasikara. Nifanakalozana tamin’izany ny andraikitry ny parlemantera aty Afrika, ny fanamby tsy maintsy atrehin’izao tontolo izao ankehitriny, ny fitondrana Tetezamita aty Afrika. Nisolotena ny parlemantera
malagasy tamin’izany ny filohan’ny Antenimierando­holona, ny Jly Ravalomanana Richard.

Mbola lavitr’ezaka ho an’ny mpitondra ny fana­trarana ny tanjona amin’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD), araka ny nambaran’ny fiarahamonim-pirenena Rohy. Nanterin’izy ireo fa marefo hatrany ny paikady hanarenana ny firenena. “Mbola ny 9,4% ny tanjona napetraka no tratra tao anatin’ny 6 taona, raha ny tatitry ny Pnud”, hoy izy ireo.

Tsipahin’ny vahoaka ao Antsirabe Avaratra ny sefo fokontany vao notendren’ny distrika. Niteraka savorovoro tao an-toerana izany. “Takinay ny hanao­vana fifidianana mangarahara fa tsy azo ekena izao”, hoy izy ireo, tamin’ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo omaly maraina.

Partager sur: