Fifidianana depiote eny Avaradrano : hampandany ny kandidà Bota ny TMH

Nambaran’ny Tanora mi­andrandra ny ho avy (TMH), Avaradrano ta­pany A tarihin-dRamanan­te­nasoa Davidanirina Onja­niaina fa hanohana ny kandidàn’ny Irmar, Radafy Thierry na i Bota izy ireo amin’ny fifidianana depiote, ny 29 mey izao. “Nanohana tsy nisy fepetra ny filoha Rajoelina Andry isika nandritra ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo. Fanohizana ny tolona efa napetraka sy ny ezaka rehetra efa notante­rahina izao hirosoana izao indray”, hoy ireo mpitarika ny fikambanana. Nanterin’ireto tanora ireto fa zava-dehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ny fananana maro anisa eny amin’ ny An­tenimierampirenena. Hame­­tra­hana fahamarinan-toerana sy fitoniana ka vonona izy ireo ny hanohana ireo kandidà solombavambahoaka, atolotry ny vovonana Irmar. Anisan’ izany ity kandidà laharana voalohany anaty biletà tokana ho an’ny distrikan’Ava­radrano ity.
Tsiahivina fa efa namondron-kery tahaka izao koa ny TMH Avaradrano B ka nahavory mpikatroka maherin’ny 1 200. Nohavaozina tamin’ izany ny mpikambana eo anivon’ny birao ary efa samy na­neho fahavononana ny hanohana ny kandidà Bota sady ben’ny Tanànan’Ambohiman­ga­kely izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: