Filohan’ny HCC : “Voararan’ny lalàna ny fitsikerana didim-pitsarana”

Nampitandrina ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, manoloana ireo resabe tato ho ato. Anisan’izany ny momba ny didy sy ny fanapahana raisin’izy ireo.

“Misy ny lalàna eto amintsika, ny And. 126 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana milaza mazava tsara fa tsy azo atao fa mahavoasazy ny mi­tsikera na manaratsy didim-pitsarana”. Io no nambaran’
ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fampahafantarana ny kandidà ho depiote ny dingana amin’ny fitoriana momba ny fifidianana. Na inona na inona didim-pitsarana avoa­kan’ny fitsarana, na aiza na aiza: izay manao fitsikerana na fanaratsiana didim-pitsarana mitarika fankahalana amin’ny haino aman-jery na tambajotran-tserasera dia ho voasa­zin’ny fitsarana ady heloka. Aoka tsy hatao hoe fampitahorana indray izany fa lalàna.
“Mba hananantsika fifidianana milamina sy eken’ny rehetra izay atao ao anatin’ny fangaraharana sy ny fahamarinana no tanjona”, hoy izy ny amin’ny fiatrehana fifidianana. Itovian’ny HCC sy ny Ceni izay.

Maro ireo tsy mbola mahalala ny asan’ny HCC

Tsy maintsy manao fampianarana sy fampahalalana ny HCC. Betsaka ny tsy mbola mahafantatra azy sy ny asany, indrindra ny amin’ny fitoriana momba ny fifidianana. Tsy ilaozan’izay ratsy fanahy hangala-bato ny fifidianana na tsy hanara-dalàna, na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao. Zon’ny kandidà sy ny mpanohana azy ny manao fitoriana. Mampahafantatra ny tsy fanarahan-dalàna ny HCC, manasazy amin’ny alalan’ny fanalana an-daharana ny kandidà izay tandrify an’izany araka ny lalàna na fanafoa­nana amin’ny ampahany na manontolo ny valim-pifidianana amin’ny biraom-pifidianana hita fa misy tsy fanarahan-dalàna.

R. Nd.

Partager sur: