Raharaha eny amin’ny fitsarana : manentana hakana mpisolovava ny holafitra

Nahavita fianianana omaly, tetsy Anosy, ireo mpisolovava miisa 44. Dimy amin’izy ireo matihanina raha mpiana-draharaha kosa ny ambiny. Nam­baran’ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava, ny Me Raon­dry Alain, fa ilaina ny fanatonana azy ireo raha manana raharaha eny amin’ny fitsa­rana. “Ilaina izany hisorohana ireo mpijirika. Aleo maka mpisolovava ny mpitory na ny toriana na koa ireo tomponandraikitra raha misy raharaha eny amin’ny fitsarana”, hoy izy. Nanteriny fa azo ifandaminana eo amin’ny fomba fiasa ny mpisolovava noho ny fahefa-mividy amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fifampitsinjovana, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, niaiky ny filohan’ny holafitra fa betsaka ny olana sedrain’izy ireo. Anisan’izany ireo mpitandro filaminana mpanao famotorana (OPJ) tsy mahalala ny lalàna na koa minia tsy mahafantatra. “Takinay amin’ny fanjakana ny hampahafantarana ny lalàna ho an’ny olon-tsotra sy ny momba ny zon’ny fiarovana ho fanajana ny zon’olombelona”, hoy ihany izy. Olana koa ny sakantsakana eny anivon’ny tribonaly. Na izany aza, efa nanoka-baravarana ny minisiteran’ny Fitsarana ho amin’ny fifanakalozan-kevitra, araka ny nambarany ihany.
Tsiahivina fa maherin’ny 1 000 amin’izao fotoana ny mpisolovava manerana ny Nosy ka eto Antananarivo ny 700 amin’izany. Misy koa anefa fitsarana tsy ahitana mpisolovava na iray aza.

Synèse R.

Partager sur: