TSELATRA

Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Naka fitaovana toy ny fahitalavitra sy kiraro ny roa lahy. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny tao Amboronomby kosa ny roa lahy hafa. Vilany dimy sy finday no tratra teny amin’izy ireo.

Raim-pianakaviana sy ramatoa iray maty tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo tao Mahavelona, Foulpointe, ny alakamisy 18 avrily teo. Nahita zerikana natosiky ny ranomasina ny olon-tsotra iray. Nisy vovo-javatra niloko fotsifotsy tao anatin’io ka nozarainy tamin’ireo olom-patany. Samy nihinana izany izy ireo kinanjo olona roa maty ary enina marary mafy.

Fasana miisa enina nasesin’ny olon-dratsy novakina tao Antanetibe Mahazaza, afakomaly. Noko­rontanin’ireo tsy mataho-tody ny razana rehetra tao amin’ireo fasana lasibatra ireo. Mpandalo no nahatsikaritra ny varavaram-pasana nisokatra ka nampandre ny manodidina.

Avotry ny mpitandro filaminana ny sefo fokontany ao Antsakoazato Besalampy, nandritra ny fanarahan-dia dahalo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nentin’ny dahalo ny omby miisa valo sy ny sefo fokontany. Nanao hazalambo ny fokonolona sy ny zandary. Naratra ny iray tamin’ireo olon-dratsy.

Partager sur: