Tanora mpandraharaha: misokatra ny « Loka Pierre Castel 2024 »

Efa nanomboka tamin’ny 1 marsa ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 24 avrily izao, ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana «Loka Pierre Castel» ho an’ny taona 2024. Natokana ho an’ireo tanora mpandraharaha 18 hatramin’ny 45 taona izy ity, izay monina eto an-toerana ary misehatra amin’ny fambolena sy ny indostria eto Madagasikara. Natao mba hanohanana ireo mpandraharaha, sy hampiharana vahaolana maharitra amin’ny faharetan’ny rafitra ara-tsakafo eto Afrika izany.
Nisy ny fampahafantarana ny fifaninanana izay nataon’ny Star, omaly, amin’ny maha orinasa mitovy fijery azy amin’ny vondrona Castel. “Manasa ny kandidà tsirairay izay efa nandefa ny tetikasany izahay mba hijery tsara ny fangatahany alohan’ny fifaranan’ny fe-potoana fisoratana anarana, mba hahazoana antoka fa nahazo ny mailaka fanamafisana ny fisoratana anarana izy. Etsy andaniny, raha ilaina dia vonona izahay hanampy ireo izay manana fanontaniana mahakasika izany amin’ny alalan’ny pejy Star Mada­gascar na miantso avy hatrany», hoy Raveloarison Fanou, tomponandraikitry ny serasera ivelany ao amin’ny Star.
Tsiahivina fa hisitraka fanohanana ara-bola sy fanofanana izay afaka manangana sy manamafy ny fahaizany miatrika ireo fanamby raiki-tapisaka eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana sy iraisam-pirenena ireo mpandraharaha tompon’ny tetikasa voafidy farany. Hahazo 15 000 euros ny voalohany, 10 000 euros ny faharoa, ankoatra ny fampiofanana. Hahazo fiofanana momba ny fandraharahana voamarina momba ny e-learning, ary fandraisana anjara amin’ny «Prix Jeunes Espoirs» kosa ny laharana fahatelo hatramin’ny fahenina.

Zo ny Aina

Partager sur: