TSELATRA

Efa-dahy nosamborin’ny polisy noho ny fidorohana sy famarotana héroïne tao Fiofio, Mahajanga, omaly. Nidina ifotony ny polisy taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao. Tratra teo am-pitsindromana sady nikirakira io zava-mahadomelina mahery vaika io izy efatra mirahalahy ireo.
Nambanan’ny roa lahy antsy, lehilahy iray voaroba teny amin’ny lalamby Ampefiloha, ny alahady atoandro teo. Tsy nanampo na inona na inona izy no nipoitra tampoka ireo roa lahy ka namoaka zava-maranitra. Nalain’izy ireo ny vola rehetra teny amin’ilay lasibatra.
Naiditra am-ponja ilay mpanendaka voasambotry ny polisy tao Soamalaza, Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Norobain’io tovolahy io ny mpampanofa vatana iray rehefa mody nentiny tany amin’ny maizimaizina. Nokarohin’ny polisy io mpandroba io ka noraisim-potsiny.
Tra-tehaky ny fokonolona ny lehilahy iray namaky trano tao Sotema, ny alahady maraina teo. Nisava ny manodidina ny fokonolona ka tratra tao amin’io lehilahy io ny entana halatra toy ny fahitalavitra sy zavamaneno. Notanana ilay tompon’antoka. Nitsoaka ireo namany.

Partager sur: