Filoha Rajoelina : «Hiantraika amin’ny vahoaka ny Fec sy ny FRD»

Natao teny Iavoloha, omaly, ny fiaraha-midinika eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny delegasion’ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI) mamita iraka eto Madaga­sikara. Miompana amin’ny tetikasa roa lehibe ny antondian’izy ireo. Voalohany, ma­hakasika ny famatsiam-bola Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) ary faharoa, ny famatsiam-bola ho Fiatre­hana maharitra ny vokatry ny loza voajanahary (FRD).
Notsipihin’ny filoha, Rajoe­lina Andry, fa ho antenaina ny hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa roa ireo. Mba hiantraika any amin’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ny firenena. Manan-danja ny fanohanan’ny FMI azy ireo sy ny famoahana ny famatsiam-bola. Vonona ny hanohy ny ezaka efa nataony i Madagasikara amin’ny fanatsarana ny lafiny toekarena. Toy ny fametrahana fitomboan-karena matanjaka, ny famoronan’asa, ny vidin-javatra marin-toerana, ny fifandanjan’ny fanondranana sy ny fanafarana entana avy any ivelany ary ny fanavaozana ny rafi-panjakana. Nohamafisin’ ny Filoha fa « antoky ny fahombiazantsika iombonana ny tohana omenareo».
Efa nisy ny fihaonan’ireto delegasion’ny FMI ireto tamin’ny tomponandraikitra samihafa eto an-toerana. Haharitra hatramin’ny 3 mey 2024 ho avy izao ny dian’izy ireo eto amintsika. Amin’ny volana jolay 2024 no mety ho fantatra ny vokatry ny fifampiraharahana momba izay Fec sy FRD izay.

Njaka A.

Partager sur: