Sendikan’ny Indostria : maika ny fanarenana ny lalana RN2

Nanao ny fivoriambeny, omaly, ny mpikambana ao Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Nilaza ny filohany, Rasamimanana Tiana, fa maromaro ny lohahevitra nodinihina. Araka ny efa noresahan’izy ireo sy ny Filoham-pirenena, anisan’ny tena laharam-pahamehana ny fanarenana haingana ny lalam-pirenena fahroa (RN2), ankoatra ny lafiny herinaratra. Satria midangana ny masonkaren’ny mpandraharaha noho ny haratsian’ity lalana ity.
Eo koa ny fanamafisana ny serasera hanandratana ny vokatra Vita Malagasy. Anisan’ny takin’ny Sim koa ny hanoneran’ny fanjakana malagasy ny hetra (TVA crédit) tokony ho an’ny mpandraharaha.

Vaomiera Task Force
Anisan’ny navoitran’ny filohan’ny Sim koa ny nifanarahana tamin’ny Filoham-pirenena, ny hanaganana vaomiera iombonana manokana, Task force. Hiara-kijery ny vahaolana maharitra, hampiroboroboana ny indostria eto amintsika ity vaomiera ahitana ny ao amin’ny Holafitry ny filoha sy ny tsy miankina ity. Tafiditra ao anatin’izany ireo lohahevitra maromaro voalaza etsy ambony.

Njaka A.

Partager sur: