Tetikasa Padap : niakatra maherin’ny 5 t/ha ny voka-bary

Mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fambolena, ahitana sahandriaka sy lemaka, ny tetikasa Padap. Misy ny fanarenana na fananganana fotodrafitrasa, ny fambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fitandroana ny maha olona.

Mifarana ny Tetikasa ho an’ny fambolena ma­haritra mikajy ny tontolo voarindra (Padap). Faritra dimy ahitana sahandriaka sy lemaka no nifantohan’ny asa, ny any Soanierana Ivongo (Analanjirofo), Marovoay (Boeny), Andapa (Sava) ary Bealanana (Sofia).
Nilaza ny Mpandrindra teknika (CT) ny tetikasa, Razafindralambo Herinarivo, omaly, fa anisan’ny misongadina tamin’ny zava-bita ny fanajariana ny lemak’i Maro­voay, nahafahana nanajary lemaka hatrany amin’ny 7 300 ha, nahavitana lakandrano mirefy 25 km. Tafakatra 5 hatramin’ny 5,5 t/ha ny voka-bary, raha 2,5 t/ha talohan’ny Padap.
Amin’ny ankapobeny, ho an’ireo faritra dimy niasana ireo, miisa 76 ny tohodrano nohavaozina, lakandrano mi­refy 214 km manondraka velaran-tany 3 315 ha ary tetezana 10 noharenina. Mahatratra 77 km ny lalana narenina hamoahana ny vokatry ny tantsaha.
Novatsiana kojakoja sy fitaovam-pamokarana ny tantsaha, toy ny masomboly sy zezika ary fitaovana, miampy fampianarana teknikam-pambolena. Miisa 289 ny tantsaha mpamokatra masomboly, ka nahatratra 198 taonina ny vokatra tamina velaran-tany 191 ha. Miisa 3 685 ny mpamboly mampihatra ny voly ekolojika amin’ny velaran-tany 975 ha, raha 3 433 ny nampiasa ala vadim-boly amin’ny tany 1 598 ha.
Miisa 60 ny komity mpitantana fitaovam-pamokarana nitsangana ho an’ny olona 240. Nahazo fiofanana amin’ny fampiasana fitaovana izy ireo.

Fikajiana ny tontolo iainana
Teo koa ny fanajariana ny tanety sy ny sahandriaka nikajiana ny tontolo iainana, ka nahatratra 652 171 ha ny faritra arovana voakasika, niarahana tamin’ny Vondron-olona ifotony(VOI).
Namatsy vola ny Padap ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Ida), ny Global environment facility (GEF) ary ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Na­na­tanteraka azy ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) sy ny ao amin’ny Tontolo iainana (Medd).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: