TSELATRA

Nosamborin’ny polisy ny mpamily sy ny resevera iray, omaly, teny Ankaraobato. Mamo teo am-pitondrana fiara fitateram-bahoaka izy ireo. Mpandeha iray no nilaza tamin’ny polisy fa mamo ny mpamily sy ny resevera ka ahina hampidi-doza ny fiara entin’izy ireo. Nametraka sakana ny polisy ka noraisim-potsiny izy ireo, teo Ankaraobato .
Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana tao Ambohimilemaka Mahitsy, afakomaly, ny taxi-be iray nitondra entana halatra. Nilaza ny mpamily fa hoe fanaka nofonosina ireo mipetraka ao amin’ny fitoeran’entana. Tsy fanaka anefa no hita fa takelaby mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nalaina avy amin’ny andrin-jiro teny Mahitsy ireto takelaby ireto.
Saron’ny zandary teo Ambodimanga Maevatanana, omaly, ireo bolongan-kazo 37 isa tsy nisy taratasy nentin’ny fiarabe iray. Nafenina tao ambadiky ny cageot ireto hazo ireto. Saika hoentina hiakatra aty an-drenivohitra izany kanjo izao tratra izao. Nogiazan’ny zandary avy hatrany izany.

Partager sur: