VAOVAO TAMBATRA

Hamboarina ny fantson-drano vaky eny Ambohimiandra, manomboka ny alakamisy 25 avrily amin’ny 8 ora alina hatramin’ny zoma 26 avrily amin’ny 5 ora maraina. Ho tapaka, noho izany, ny famatsian-drano amin’ny faritra manodidina an’Andro­nonobe, Ambohitrarahaba, Ambatobe,Analamahitsy, Ivandry, Ambatomainty, Manjakaray, Ambodivona,…
Mitohy ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, amin’ny lalam-pirenena RN6. Ny ilany avy any Antsiranana no hametrahana azy, mialoha ny hidirana eo amin’ny fiantsonana amin’ny fiampitana. Toraka izany koa ny tetezana Ifasy, PK 537+327, amin’ny RN 6, ilany avy any Ambanja.
Nidina ho 5 400 Ar ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsena Andravoahangy. Nilaza ireo mpivarotra fa manomboka miakatra ny vokatra avy any amin’ny toerana saro-dalana toy ny any Ambatomanoina. Satria efa miha maina ny lalana, ka tonga tsikelikely ny avy any an-toerana.
Mamokatra zana-trondro tilapia ny kaoperativa Soa production any Andranondaoka Anteviala, distrika Antalaha. Nisedra olana izy ireo, vokatry ny rivodoza Gamane farany teo, satria nihoatra ny dobo ny rano. Nanampy ara-teknika ny fitantanam-paritry ny Jono any Sava, ifehezana ny renin-trondro mpanatody sy hanamorana ny fakana zana-trondro.

Partager sur: