Fitsirihana ara-ketra: mampitovy tadin-dokanga ny DGI sy ny OEFCM

“Mifanipaka matetika ny hevitra amin’ny fampiharana ny lalàna. Hita izany na amin’ny fanatanterahana ny adidy ara-ketra (procédures fiscales) na amin’ny hailamin’ny fitsirihana ara-ketra (méthodologie de contrôle fiscal), raha ny nambaran’ny sekretera jénéralin’ny « Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar (OECFM) », Razakamahefa Hajanirina. « Mifampihaino, mampitovy fijery no dingana voalohany (…) amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitsirihana ara-ketra (contrôle fiscal) », hoy ny tale jeneralin’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra, Germain. Notantera­hina omaly tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy ny atrikasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsirihana ara-ketra. Misoratra tanteraka ao anatin’ny programam-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ary indrindra ho fanamafisana ny fiaraha-miombona antoky ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra (DGI) sy ny OECFM manokana ity atrikasa ity. Ilaina ny fifampitovian-kevitra amin’ireo orinasa eo amin’ny fampidiran-ketra » (administration fiscale), hoy ny hatrany ny fanazavana. Hapetraka, noho izany, ny fifampitokisana eo amin’ireo mpikirakira kaontina orinasa. Hanampy ny DGI ireo manampahaizana momba ny kaonty (experts-comptables) amin’ny fitsirihana ara-ketra. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fanabeazam-boho ny olom-pirenena ara-ketra ny fifanakalozana toy izao, ary dingana fanampiny ho amin’ny fanatrarana ireo vina napetraka sy ho fanatsarana ny fampidiran-ketra.

Henintsoa Hani

Partager sur: