Tetikasa Taratra-Toliara: nampahafantarina ny zo sy ny andraikitry ny mponina

Tany amin’ny kaominina Belalanda sy Maromiandra indray ny loabary an-dasy nokarakarain’ny eglizy Katolika, ao anatin’ny tetikasa Taratra. Tanjona ny hamantarana ny eny ifotony ny fampandrosoana tokony entin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany any Toliara.

Mitohy ny fitetezam-paritry ny tetikasa Taratra tontosain’ny eglizy katolika any Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Taorian’ny tany Benetsy, ny kaominina Belalanda sy Maromiandra indray ny fihaonana tamin’ny vahoaka marobe. Noresahana ny ady amin’ny fahantrana, ny zo sy ny adidin’ny fanjakana ary ny an’ny mpitrandraka. Nandray anjara tamin’ny fitenenana ny prefektiora Toliara, ny ao amin’ny harena an-kibon’ny tany ary ny fikambanana katolika Justice et Paix.
Nilaza Ralahy Emmanuel, mpandrindra ny tetikasa Taratra, fa tratra ny tanjona satria fantatry ny mponina bebe kokoa ny zony sy ny andraikiny amin’ny tetikasa fitrandrahana. Tsy misy afa-tsy ny fifanakalozan-kevitra no hany vahaolana isorohana ny tsy fifankazahoana na zavatra tsy azo. Singanina amin’izany, manan-jo ny hanonerana azy ny tompon’ny tany voakasiky ny tetikasa. Nentanina ny mponina nandritra ity fihaonana ity mba hanoratra ny taniny ho ara-dalàna, mba hisitrahany ny zony. Mila manana taratasy ara-dalàna amin’ny fitompoany ny taniny izy ireo.

Ho an’ny kaominina rehetra

Nahatsiaro ho afa-po tamin’ity dinika ity ny mpanatrika. Fantatr’izy ireo, ankehitriny, fa misitraka tombontsoa ny mponina, amin’ny alalan’ny tamberimbidy azon’ny kaominina amin’ny tetikasa mikasika ny harena an-kibon’ny tany.
Ho an’i Jean, mponina any Belalanda, tena ilaina ny fiaraha-miasan’ny mponina ao anatin’ny kaominina rehetra any Toliara amin’ny mpitrandraka sy ny tompon’andraiki-panjakana, fa tsy ny any Belalanda sy Maromiandra ihany. Satria tsy fantatr’izy ireo ny tombontsoa aterany. Tsy mitombina ny feo miely matoa efa nomen’ny fanjakana ny fahazoan-dalana.
Manamafy i Fédia Rodine, avy any Maromiandra, fa tsy tokony hanaiky handairan’ny tsaho ny mponina. Aleo hanazava ny fanjakana satria mitsinjo ny tombontsoan’ny daholobe izy ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: