TSELATRA

Vehivavy 29 taona maty notsatohan’ny sakaizany antsy tao Androro, Vohemar, omaly. Hasarotam-piaro no nitarika ny disadisa. Niafara tamin’ny fampiasan-drangahy zava-maranitra anefa izany. Nitsoaka ilay nahavanon-doza taorian’ny habibiana.
Dahalo efa-dahy lavon’ny zandary tao Betroka, afakomaly. Nangalatra omby maherin’ny 30 ireo dahalo ireo ka nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Nifane­hatra tao amin’ny kizo Ampimoty Ambinanitelo ny mpanara-dia sy ny mpandroba ka raikitra ny an-kitifitra. Vokany, lavo ny efatra tamin’ireo dahalo.
Ombin-tsarety miisa valo nalain’ny dahalo tao amin’ny Fokontany Antanetibe, kaominina Maritampona, ny alin’ny talata 23 avrily teo. Nosakanan’ireo olon-dratsy ny sarety sady nanampoaka basy izy ireo. Lasa avokoa ny omby valo.
Nohazonina vonjimaika any am-ponja ireo dahalo telo lahy mpanakan-dalana voasambotra tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Nandray anjara tamin’ny famonoana mpamilin’ny fiara mpiteti-tsena tao Ambato­lampy , ny 11 avrily teo izy telo lahy ireo.

Partager sur: