VAOVAO TAMBATRA

Voarara ny fanahazana vary eny amin’ny lalam-pirenena. Nidina ifotony, nanentana sady nilaza tamin’ny tompony ny hanesorana ny vary eny amin’ny arabe ny zandarimaria, nanomboka, omaly. Nentanina ny kaominina hanentana ny rehetra fa ho an’ny fiarakodia ny lalam-pirenena, ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana.
Mitohy ny fampiofanana maimaimpoana ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary. Voa­kasik’izany ny any amin’ny kaominina Betsa­kotsako, distrika Andapa. Miompana amin’ny fomba fi­ompiana trondro, ny sakafony ny fiofanana. Misahana azy ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Sava.
Natao, omaly, ny fihaonan’ny vondrona orinasa Axian sy ny Unicef. Lohahevitry ny fihaonana ny fiaraha-miombon’antoka stratejika hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara sy Afrika. Eto an-toerana ny tale jeneralin’ny Unicef misahana an’Afrika, Rtoa Etleva Kadilli.
Mamolavola ny drafitrasa momba ny fampiasam-bola mikasika ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny Tahirimbola ho an’ny fiovan’ny
toetr’andro (GCF). Tafiditra ao anatin’izany ny fiatrehana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, ny paikady mahomby hisian’ny fampandrosoana maharitra, sns.

Partager sur: