Axian sy Unicef : fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Natao ny talata 23 avrily teo ny fihaonan’ny vondrona orinasa Axian sy ny Unicef. Dinika mahakasika ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana maharitra. Nanatrika ny fivoriana ny talem-paritry ny Unicef ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, Etleva Kadilli.
Natao ny tomban’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Manana ny anjara toe­rany ny sehatra tsy miankina afrikanina, hanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030. Anisan’ny noresahina ny paikady hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny hampahaleo tena ny tovovavy sy hiarovana ny fianakaviana miatrika krizy (ady an-trano, loza voajanahary, sns).
Manampy ireo, ho hamafisin’ny vondrona Axian ny fifandraisan-davitra, ny fanoha­nana ny fandraisan’ny rehetra anjara, ny fiatrehana ny fiovan’ ny toetr’andro. Ao anatin’izany ny paikady « Impact & sustainability », miampy ireo laharam-pahamehana samihafa. Hamafisina ny ezaka efa natao hanatrarana ny tanjona ODD, sady hikarohana mpiara-miombon’antoka vaovao.
Taorian’ny fihaonana, nitsidika ny Campus 42 Antana­na­rivo ny delegasion’ny Unicef, izay sekoly maimaimpoana naorin’ny Axian, miaraka amin’ ny tambajotra iraisam-pirenena 42.
« Hitohy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, hisian’ny fampandrosoana maharitra aty Afrika, eo amin’ny sehatry ny angovo, ny ara-bola ary ny niomerika », hoy Amélie Yan-Gouiffes, talen’ny Vondrona Impact & Sustainability ao amin’ny Axian.

Njaka A.

Partager sur: