Drafitrasa PDSem : fanatsarana ny seha-pihariana hena, ronono

Nampahafantarina, omaly, ny fanombohana ny famolavolana ny Drafitrasa lasitra ny sehatry ny fiompiana eto Mada­ga­sikara (PDSem). Tanjona ny hisian’ny paikady matotra maharitra hampiroboroboana ny fiompiana eto Madagasikara. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fambolena sy ny fiompiana (DGAE), ao amin’ny minisitera (Minae), Anondraka Michel, fa mifanandrify amin’ny andry roa lehibe nofaritan’ny filoha Rajoelina ny PDSem. Ny famokarana anatiny mamaly ny filan’ny malagasy, sy ny fampiroboroboana ny indostria hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana.
Nomarihin’ny DGAE, fa mila hamafisina ny ezaka efa natao, satria mbola kely ny vitan’ny mpiompy, sady ambany ny vokatra. Anisan’ny hifantohana manokana ny seha-pihariana hena, ny ronono ary ny atody. Hanana anjara lehibe amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha tsy miankina sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa.
Drafitrasa mandritra ny 15 taona no hovolavolaina, ary tombanana isaky ny 5 taona.
Hiandraikitra ny famolavolana ara-teknika ny PDSem ny Ivontoerana iraisam-pirenena misahana ny fikarohana amin’ ny fiompiana (ILRI). Kabinetra efa nanana ny traikefany tatsy Afrika sy tany Azia.

Njaka A.

Partager sur: