Fambolena sy fiompiana : ampirisihina ny famokarana ny akora fototra

Antoky ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana. Tokony hampitomboina ny famokarana akora fototra eto amintsika.

Sehatra iray mifampiankina ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famokaran-tsakafo ho an’ny olombelona sy ho an’ny biby ny fambolena. Ho an’i Mada­gasikara, ambany ny famokarana akora fototra, toy ny ka­tsaka sy soja, ka voatery ma­nafatra any ivelany ny fitondram-panjakana. Antony nahatonga ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Malagasy professionnels de l’élevage (MPE) Andrianaivo Jao, mangataka ny hampakarana ny famokarana ny akora fototra, toy ny katsaka sy ny soja, hampihenana ny fanafarana. Tafiditra ao anatin’izay ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panja­kana sy ny sehatra tsy mian­kina (3P) hanohanana ny tan­tsaha. Vinan’ny MPE, hoy izy, ny hanakaikezana ireo tantsaha iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, nandritra ny lahateniny tamin’ny fanokafana ny Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA) andiany faha-16, omaly, tetsy Nanisana. Notohizany fa namolavola mpiompy maro ho lasa matihanina ny MPE nandritra ny 29 taona nisiany. Noho izany, antoka amin’ny fampandrosoana ny toeka­rena ny famokarana, ny fambolena ary ny fiompiana.

Fiaraha-miasa

Malalaka ny tsenan’ny fiompiana eto Madagasikara. Hanampy ny tantsaha amin’ny fitadiavana tsena anatiny sy ivelany ny hetsika FEPA. Hita eny an-toerana, mandritra ny efatr’andro, ireo vokatra rehetra azo sy afaka entina hana­tsarana ny fiompiana. Misy ihany koa ny fampirantiana ireo biby velona isan-karazany. Misongadina manokana ireo toeram-pivarotana sy mpikirakira ny sakafom-biby ary ireo fitaovana samihafa ilaina amin’ny fiompiana. Tsy ho latsa-danja amin’izany ihany koa ny tontolon’ny fambolena.

Henintsoa Hani

Partager sur: